Menafify 98

ambohipotsy-img

Ambohipotsy

Ny fisian'ny harambato mangiri-potsy ety no niavian'ny anaran'ity toerana ity. Misy ihany koa anefa ny milaza fa ireo taolam-balon'ireo voaheloka ho faty niparitaka sy navela tety no nahatonga ny anaran'ny faritra. Ny tantara nangonina dia manambara fa vazimba izay natsoina hoe Andrianentoarivo no nonina teto fony mbola tsy azon'Andrianjaka (1610-1630) ny vohitr'Analamanga.

Ny fiangonana Ambohipotsy

Nahatsiarovana an'i Rasalama, martiora vehivavy malagasy voalohany no nananganana ity trano fiangonana ity. Faharoa tamin'ireo trano naorina izy. I James Sibree no nanao ny drafitry ny trano izay nalaina tamin'ny endrika taotrano anglisy gotika tranainy raha i William Pool kosa ny nitantana sy nanaramaso nt asa. Naharitra efa-taona no nananganana ny trano fiangonana. Ny 17 Novambra 1868 notokanana izany ka nanome voninahitra izany ny mpanjaka vavy Ranavalona II. Ny taona 1961 dia voasoratra ho vakom-pirenena ny fiangonana Ambohipotsy.

ambohipotsy-img

Rafaravavy Rasalama (1810-1837)

Radalama dia nianatra tamin'ny sekoly naorin'ny LMS tamin'ny 1824. Natao batisa izy ny volana may ary nandray ny fanasan'ny tompo ny jona 1831 tao Ambatonakanga. Rehefa nandrara ny fivavahana i Ranavalona I ny taona 1835, dia niery tany anaty zohy i Rasalama. Tratra izy ny jolay 1837 ka voapanga ho tsy nakato ny mpanjaka. Ny 14 aogositra dia nentina avy eny ambatonakanga nakeny ambohipotsy izy ka nolefonina.

ambohipotsy-img